FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 21:33-41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 “Henoy indray izao fanoharana izao: Nanana tany ny lehilahy iray ka nanao tanimboaloboka,+ ary nofefeny ny manodidina. Dia nihady lavaka famiazam-boaloboka teo izy ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly ilay izy avy eo, dia lasa nankany an-tany hafa izy.+ 34 Rehefa masaka ny voaloboka, dia nirahiny ho any amin’ny mpamboly ny mpanompony mba hanangona ny anjarany. 35 Nosamborin’ny mpamboly anefa izy ireo, ka ny iray nokapohiny, ny iray novonoiny, ary ny iray notorahany vato ho faty.+ 36 Naniraka mpanompo betsaka kokoa noho ny teo aloha indray ilay lehilahy, kanefa mbola nataon’ireo hoatr’izany koa.+ 37 Farany, nirahiny tany amin’ireo ny zanany lahy, fa hoy izy: ‘Mba hohajain’ireny kosa ny zanako e!’ 38 Rehefa nahita an’ilay zanany anefa ny mpamboly, dia nifampiresaka hoe: ‘Iny ny mpandova!+ Andao izy hovonointsika, dia amin’izay lasantsika ny lovany!’ 39 Koa nosamborin’ireo izy ka notaritaritiny teny ivelan’ny tanimboaloboka, dia novonoiny ho faty.+ 40 Rehefa tonga àry ilay tompon’ny tanimboaloboka, dia hataony ahoana ireo mpamboly ireo?” 41 Ary hoy ireo nihaino azy: “Haripany daholo ireo satria ratsy fanahy. Ilay tanimboaloboka kosa hampanofainy amin’ny mpamboly hafa, izay hanome azy ny anjarany rehefa miakatra ny vokatra.”

  • Lioka 20:9-16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nilaza an’izao fanoharana izao tamin’ny vahoaka izy avy eo: “Nanao tanimboaloboka+ ny lehilahy iray, ary nampanofainy tamin’ny mpamboly ilay izy. Dia lasa nankany an-tany hafa izy ary naharitra ela be tany.+ 10 Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ny mpamboly izy mba haka amin’ny vokatry ny tanimboaloboka. Nalefan’izy ireo nody maina anefa ilay mpanompo, rehefa avy nokapohiny.+ 11 Dia naniraka mpanompo hafa indray ilay lehilahy. Nokapohin’izy ireo koa izy io sady nalany baraka* ary nalefany nody maina. 12 Mbola naniraka mpanompo fahatelo izy, nefa nataon’izy ireo naratra sy noroahiny koa izy io. 13 Dia hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka: ‘Inona re no hataoko e? Haniraka ny zanako malalako+ aho. Angamba mba hohajain’izy ireo izy.’ 14 Rehefa nahita azy ny mpamboly, dia nifampiresaka hoe: ‘Iny ny mpandova! Andao izy hovonointsika, dia amin’izay lasantsika ny lova!’ 15 Koa notaritaritin’izy ireo teny ivelan’ny tanimboaloboka izy, dia novonoiny ho faty.+ Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka amin’izy ireo? 16 Ho avy izy dia hovonoiny ho faty ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.”

      Dia hoy izy ireo rehefa naheno an’izany: “Enga anie mba tsy hisy izany!”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara