-
Marka 12:1-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nanomboka nanao fanoharana tamin’ireo izy avy eo hoe: “Nanao tanimboaloboka+ ny lehilahy iray, ary nofefeny ny manodidina. Dia nihady lavaka famiazam-boaloboka izy ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly ilay izy avy eo, dia lasa nankany an-tany hafa izy.+ 2 Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ny mpamboly izy mba hanangona ny ampahany amin’ny vokatry ny tanimboaloboka avy tamin’izy ireo. 3 Nalain’izy ireo anefa ilay mpanompo dia nokapohiny, ka nalefany nody maina. 4 Naniraka mpanompo hafa ho any amin’ireo mpamboly indray ilay lehilahy, nefa nokapohin’ireo teo amin’ny lohany ilay mpanompo sady nalany baraka.+ 5 Ary naniraka mpanompo hafa indray izy, saingy novonoin’ireo ho faty ilay mpanompo. Mbola naniraka olon-kafa be dia be koa izy, nefa ny sasany nokapohin’ireo, ary ny sasany novonoiny ho faty. 6 Iray sisa no teo aminy, dia ny zanany tena tiany,+ ka io no nirahiny farany tany amin’ireo. Fa hoy izy: ‘Mba hohajain’ireny kosa ny zanako e!’ 7 Nifampiresaka anefa ireo mpamboly ireo hoe: ‘Iny ny mpandova!+ Andao izy hovonointsika, dia amin’izay ho lasantsika ny lova!’ 8 Koa nosamborin’ireo izy dia novonoiny ho faty, ka notaritaritiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.+ 9 Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy dia hovonoiny ho faty ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.+
-
-
Lioka 20:9-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nilaza an’izao fanoharana izao tamin’ny vahoaka izy avy eo: “Nanao tanimboaloboka+ ny lehilahy iray, ary nampanofainy tamin’ny mpamboly ilay izy. Dia lasa nankany an-tany hafa izy ary naharitra ela be tany.+ 10 Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ny mpamboly izy mba haka amin’ny vokatry ny tanimboaloboka. Nalefan’izy ireo nody maina anefa ilay mpanompo, rehefa avy nokapohiny.+ 11 Dia naniraka mpanompo hafa indray ilay lehilahy. Nokapohin’izy ireo koa izy io sady nalany baraka* ary nalefany nody maina. 12 Mbola naniraka mpanompo fahatelo izy, nefa nataon’izy ireo naratra sy noroahiny koa izy io. 13 Dia hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka: ‘Inona re no hataoko e? Haniraka ny zanako malalako+ aho. Angamba mba hohajain’izy ireo izy.’ 14 Rehefa nahita azy ny mpamboly, dia nifampiresaka hoe: ‘Iny ny mpandova! Andao izy hovonointsika, dia amin’izay lasantsika ny lova!’ 15 Koa notaritaritin’izy ireo teny ivelan’ny tanimboaloboka izy, dia novonoiny ho faty.+ Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka amin’izy ireo? 16 Ho avy izy dia hovonoiny ho faty ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.”
Dia hoy izy ireo rehefa naheno an’izany: “Enga anie mba tsy hisy izany!”
-