-
Matio 22:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Fa rehefa atsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa hitovy amin’ny anjely any an-danitra.+
-
-
Lioka 20:34-36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Ny zanak’izao tontolo izao* no mampaka-bady sy avoaka hampakarina. 35 Fa tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina+ kosa izay hita hoe mendrika ny hiaina ao amin’ilay tontolo ho avy sy mendrika ny hatsangana amin’ny maty. 36 Tsy mety maty intsony izy ireo fa hitovy amin’ny anjely, ary zanak’Andriamanitra izy ireo satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.
-