-
Matio 26:47-51Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
47 Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia iny fa tonga i Jodasy, ilay anisan’ny 12 Lahy. Ary nisy vahoaka be nitondra sabatra sy kibay niaraka taminy, nirahin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka.+
48 Ary efa nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: “Izay horohako no izy, ka sambory.” 49 Tonga dia nanitsy teo amin’i Jesosy izy ka niteny hoe: “Manahoana, Raby ô!”, sady nanoroka azy. 50 Hoy anefa i Jesosy taminy: “Fa haninona atỳ ianao?”+ Dia nanatona ny vahoaka ka nisambotra an’i Jesosy, ary nitondra azy. 51 Nanatsoaka ny sabany anefa ny iray tamin’ireo niaraka tamin’i Jesosy, dia nasiany tamin’iny ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka niala ny sofiny.+
-
-
Lioka 22:47-51Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
47 Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia ireny fa nisy vahoaka be tonga. Ary nitarika azy ireo ilay lehilahy atao hoe Jodasy, ilay anisan’ny 12 Lahy. Dia nanatona an’i Jesosy izy mba hanoroka azy.+ 48 Hoy anefa i Jesosy taminy: “Oroka ve no amadihanao ny Zanak’olona, ry Jodasy?” 49 Tsinjotsinjon’ireo nanodidina azy izay hitranga, ka niteny izy ireo hoe: “Hasianay amin’ny sabatra ve ry zareo, Tompo ô?” 50 Ny iray tamin’izy ireo aza namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe mihitsy, ka niala ny sofiny havanana.+ 51 Fa hoy i Jesosy: “Aoka izay!” Ary nokasihiny ny sofin’ilay mpanompo ka nositraniny.
-
-
Jaona 18:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Nitondra andia-miaramila sy mpiambina avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo àry i Jodasy, ka tonga tao nitondra fanilo sy jiro ary fiadiana.+
-