-
Matio 26:47-50Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
47 Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia iny fa tonga i Jodasy, ilay anisan’ny 12 Lahy. Ary nisy vahoaka be nitondra sabatra sy kibay niaraka taminy, nirahin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka.+
48 Ary efa nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: “Izay horohako no izy, ka sambory.” 49 Tonga dia nanitsy teo amin’i Jesosy izy ka niteny hoe: “Manahoana, Raby ô!”, sady nanoroka azy. 50 Hoy anefa i Jesosy taminy: “Fa haninona atỳ ianao?”+ Dia nanatona ny vahoaka ka nisambotra an’i Jesosy, ary nitondra azy.
-
-
Marka 14:43-46Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia iny fa tonga i Jodasy, ilay anisan’ny 12 Lahy. Ary nisy vahoaka nitondra sabatra sy kibay niaraka taminy, nirahin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy.+ 44 Ary efa nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: “Izay horohako no izy ka sambory, ary ento dia ambeno tsara.” 45 Tonga dia nanitsy nankeo amin’i Jesosy izy ka niteny hoe: “Raby ô!”, sady nanoroka azy. 46 Dia nisambotra an’i Jesosy ny vahoaka, ka nitondra azy.
-
-
Jaona 18:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nahafantatra an’io toerana io koa i Jodasy, ilay namadika azy, satria mpankao matetika i Jesosy sy ny mpianany. 3 Nitondra andia-miaramila sy mpiambina avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo àry i Jodasy, ka tonga tao nitondra fanilo sy jiro ary fiadiana.+
-