-
Matio 26:55, 56Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
55 Dia hoy i Jesosy tamin’ny vahoaka: “Tonga hisambotra ahy miaraka amin’ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr’ireny hisambotra jiolahy ireny? Isan’andro aho nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly,+ nefa tsy nosamborinareo.+ 56 Mitranga anefa izao rehetra izao mba ho tanteraka izay nosoratan’ny mpaminany.”*+ Avy eo dia nandao azy daholo ny mpianatra ka lasa nitsoaka.+
-
-
Lioka 22:52, 53Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
52 Dia hoy i Jesosy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny anti-panahy izay tonga teo hisambotra azy: “Tonga atỳ miaraka amin’ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr’ireny hisambotra mpangalatra ireny?+ 53 Niaraka taminareo tao amin’ny tempoly aho isan’andro,+ nefa tsy nisambotra ahy ianareo.+ Fa tonga izao ny fotoananareo sy ny fahefan’ny haizina.”+
-