-
Lioka 8:19-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary nankany amin’i Jesosy ny reniny sy ny rahalahiny,+ saingy tsy afaka nankeny akaikiny satria be loatra ny vahoaka.+ 20 Koa nisy nilaza taminy hoe: “Mijoro ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, fa te hahita anao.” 21 Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Ireto olona mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra ireto no reniko sy rahalahiko.”+
-