-
Asan’ny Apostoly 16:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Nanaraka anay sy Paoly foana io ankizivavy io sady niantsoantso hoe: “Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra+ ireo lehilahy ireo, ary manambara aminareo izay tokony hatao mba ho voavonjy.”* 18 Izany foana no nataony nandritra ny andro maro. Leo be i Paoly tamin’ny farany, ka nitodika tany aminy sady niteny tamin’ilay fanahy hoe: “Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy.” Tonga dia nivoaka tamin’izay ora izay ilay fanahy.+
-