-
Matio 4:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary niely nanerana an’i Syria ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy izay nijalijaly sy nanaintaina mafy noho ny aretina isan-karazany,+ ary izay nisy demonia+ sy voan’ny androbe+ ary nalemy. Dia nositraniny daholo ireny. 25 Koa nisy vahoaka be nanaraka azy avy any Galilia sy Dekapolisy* sy Jerosalema sy Jodia ary avy any ampitan’i Jordana.
-
-
Marka 3:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Niala teo anefa i Jesosy sy ny mpianany ka nankany an-dranomasina. Ary nisy vahoaka be avy any Galilia sy Jodia nanaraka azy.+ 8 Nisy koa aza olona avy any Jerosalema sy Idomea sy avy any ampitan’i Reniranon’i Jordana sy ny manodidina an’i Tyro sy Sidona. Vahoaka be mihitsy izy ireo no tonga teo aminy, rehefa naheno ny zavatra be dia be nataony.
-