-
Jaona 5:6-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nahita azy nitsotra teo i Jesosy, ary fantany hoe efa ela izy no narary, ka hoy izy taminy: “Te ho sitrana ve ianao?”+ 7 Dia namaly ilay marary hoe: “Tsy mba misy olona manampy ahy hankao anaty dobo, tompoko, rehefa mihetsika ny rano. Rehefa handeha hankao iny anefa aho, dia misy misongona ka izy no tafidina alohako.” 8 Hoy i Jesosy: “Mitsangàna! Batao ny fandriananao dia mandehana.”+ 9 Tonga dia sitrana ilay lehilahy, ka nobatainy ny fandrianany dia nanomboka nandeha izy.
Sabata ny andro tamin’izay.
-