-
1 Samoela 21:1-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nankany amin’i Ahimeleka mpisorona tany Noba+ i Davida, tatỳ aoriana. Dia natahotra i Ahimeleka rehefa nahita an’i Davida, ka niteny hoe: “Maninona ianao no mandeha irery, fa tsy misy miaraka aminao?”+ 2 Hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: “Nisy zavatra nasain’ny mpanjaka nataoko, nefa nanafatrafatra izy hoe: ‘Aza atao fantatr’olona izao asa anirahako anao izao sy ny toromarika nomeko anao.’ Nanao fotoana any ananona izaho sy ireo tovolahy miaraka amiko. 3 Fa raha misy mofo dimy ao aminao, dia mba omeo ahy. Na izay misy ao omena.” 4 Hoy anefa ilay mpisorona: “Tsy misy mofo tsotra ao, fa mofo masina+ ihany. Izay no homeko raha tsy nikasi-behivavy* ireo tovolahy.”+ 5 Ary hoy i Davida tamin’ilay mpisorona: “Tsy nikasi-behivavy mihitsy izahay hoatran’ny efa fanaonay teo aloha rehefa nivoaka hiady.+ Efa masina ireo tovolahy ireo na dia asa tsotsotra aza no anirahana azy. Koa tsy vao mainka tokony ho masina ve ry zareo androany?” 6 Nomen’ilay mpisorona azy àry ny mofo masina.+ Tsy nisy mofo mantsy tao afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anatrehan’i Jehovah ka nosoloana mofo vaovao tamin’ny andro nanesorana azy.
-