FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 24:7-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Asio ditin-kazo manitra tsy misy fangarony eo ambonin’ny toko tsirairay. Dia ataovy fanatitra ho solon’ny mofo ilay ditin-kazo, ho santionany amin’ny fanatitra*+ atao anaty afo ho an’i Jehovah. 8 Isaky ny Sabata no halahatra tsy tapaka eo anatrehan’i Jehovah ireo mofo.+ Fifanekena maharitra ela be ataony amin’ny Israelita izany. 9 Ho lasan’i Arona sy ny zanany lahy izany,+ ka hohanin’izy ireo ao amin’izay toerana masina,*+ satria zavatra masina indrindra ho an’ny mpisorona, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fitsipika tokony harahina foana izany.”

  • Marka 2:25, 26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Hoy anefa izy tamin’ny Fariseo: “Mbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon’i Davida rehefa tsy nanan-kohanina izy, ka noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 26 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, araka ilay fitantarana momba an’i Abiatara+ lehiben’ny mpisorona, dia nihinana ny mofo atolotra.* Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa afa-tsy ny mpisorona ihany.+ Ary nomeny koa izay niaraka taminy.”

  • Lioka 6:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Namaly anefa i Jesosy hoe: “Mbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon’i Davida, rehefa noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 4 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ary nomena azy ny mofo atolotra,* dia nohaniny izany ary nomeny koa ny olona niaraka taminy. Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa, afa-tsy ny mpisorona ihany.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara