-
Matio 11:7-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Rehefa lasa ny mpianatr’i Jaona, dia niresaka momba an’i Jaona tamin’ny vahoaka i Jesosy. Hoy izy: “Nivoaka hijery inona tany an-tany efitra ianareo?+ Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?+ 8 Sa nivoaka hijery inona ianareo? Olona manao akanjo vita amin’ny ravin-damba malefaka* ve? Any an-tranon’ny mpanjaka no misy manao akanjo hoatr’izany. 9 Inona marina àry no antony nivoahanareo e? Hijery mpaminany ve? Tsoriko aminareo fa lehibe lavitra noho ny mpaminany izy.+ 10 Fa izao no voasoratra momba azy: ‘Halefako mialoha anao* ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalana halehanao.’+ 11 Lazaiko marina aminareo fa amin’izay nateraky ny vehivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Mbola lehibe noho izy anefa izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.+
-