-
Matio 18:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nanatona an’i Jesosy ny mpianatra tamin’izay fotoana izay, ka niteny hoe: “Fa iza marina no lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra e?”+ 2 Dia niantso zaza anankiray hankeo aminy i Jesosy, ka nasainy nitsangana teo afovoany ilay zaza, 3 sady hoy izy: “Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova tanteraka* ianareo ka lasa toy ny zaza,+ dia tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra mihitsy.+ 4 Izay manetry tena hoatran’ity zaza ity àry no lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.+ 5 Ary izay mandray zaza hoatran’ity amin’ny anarako, dia mandray ahy.
-
-
Marka 9:33-37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Ary tonga tao Kapernaomy izy ireo. Rehefa tao an-trano izy dia nanontany an’ireo mpianany hoe: “Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?”+ 34 Tsy niteny anefa izy ireo, satria niady hevitra hoe iza amin’izy ireo no lehibe kokoa. 35 Koa nipetraka izy dia nantsoiny izy 12 Lahy, ka noteneniny hoe: “Raha misy te ho voalohany, dia tsy maintsy ho farany amin’ny rehetra izy sady hanompo ny rehetra.”+ 36 Naka zaza anankiray izy avy eo. Nasainy nitsangana teo afovoany ilay zaza, dia nofihininy, sady hoy izy tamin’ireo: 37 “Izay mandray zaza+ hoatran’ity amin’ny anarako, dia mandray ahy. Ary izay mandray ahy, dia tsy mandray ahy fotsiny, fa mandray an’Ilay naniraka ahy koa.”+
-
-
Lioka 22:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Nifamaly be koa anefa izy ireo hoe iza amin’izy ireo no noheverina ho lehibe indrindra.+
-