-
Matio 23:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy, satria hidianareo eo anoloan’ny olona ny Fanjakan’ny lanitra! Ianareo tsy miditra, nefa izay te hiditra tsy avelanareo hiditra.+
-
-
1 Tesalonianina 2:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Fa efa nanahaka an’ireo fiangonan’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy Jesosy any Jodia ianareo, ry rahalahy. Nijaly noho ny nataon’ny mpiray tanindrazana+ aminareo mantsy ianareo, hoatr’azy ireo koa izay mijaly noho ny ataon’ny Jiosy. 15 Novonoin’ny Jiosy hatramin’i Jesosy Tompo+ sy ny mpaminany aza, ary nenjehiny koa izahay.+ Tsy mampifaly an’Andriamanitra koa izy ireo, ary tsy mahasoa an’iza na iza ny zavatra ataony. 16 Fa tadiaviny hosakanana izahay tsy hitory amin’ny hafa firenena hoe ahoana no hatao mba ho voavonjy.+ Vao mainka mampitombo ny fahotany izy ireo amin’izany. Efa hihatra amin’izy ireo anefa ny fahatezeran’Andriamanitra.+
-