-
Matio 23:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!+ Ianareo mantsy hoatran’ny fasana voalalotra fotsy,+ izay tsara tarehy erỳ etỳ ivelany, nefa ao anatiny ao feno taolam-paty sy fahalotoana isan-karazany. 28 Hoatr’izany koa ianareo: Etỳ ivelany ianareo hoatran’ny hoe olo-marina, nefa ao anatinareo ao feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna.+
-
-
Lioka 12:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nandritra an’izany fotoana izany, dia vahoaka an’arivony no tafangona ka nifanitsa-kitro. Dia nanomboka niteny tamin’ny mpianany aloha izy hoe: “Mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo, izany hoe ny fihatsarambelatsihiny.+
-