-
Matio 6:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Koa rehefa manome zavatra mba hiantrana ny* mahantra ianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny synagoga sy eny an-dalana mba hideran’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.
-
-
Matio 23:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!+ Ianareo mantsy hoatran’ny fasana voalalotra fotsy,+ izay tsara tarehy erỳ etỳ ivelany, nefa ao anatiny ao feno taolam-paty sy fahalotoana isan-karazany. 28 Hoatr’izany koa ianareo: Etỳ ivelany ianareo hoatran’ny hoe olo-marina, nefa ao anatinareo ao feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna.+
-
-
Lioka 18:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nilaza an’izao fanoharana izao koa izy tamin’ireo nihevi-tena ho marina sy nanao tsinontsinona ny hafa:
-