FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 20:29-34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Marka 10:46-52
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 Tonga tao Jeriko izy ireo avy eo. Ary rehefa nivoaka an’i Jeriko izy sy ny mpianany ary ny olon-kafa be dia be, dia io fa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo, jamba mpangataka, zanak’i Timeo.+ 47 Rehefa henony fa i Jesosy avy any Nazareta ilay nandalo teo, dia nanomboka niantsoantso mafy izy hoe: “Ry Jesosy Zanak’i Davida ô,+ mba iantrao aho!”+ 48 Ary nibedy azy ny olona maro sady niteny azy mba hangina, nefa vao mainka izy niantsoantso mafy hoe: “Ry Zanak’i Davida ô, mba iantrao aho!” 49 Nijanona àry i Jesosy, dia niteny hoe: “Antsoy ho eto amiko izy.” Dia nantsoin’ny olona ilay jamba, ka noteneniny hoe: “Mahereza! Mitsangàna, fa miantso anao izy.” 50 Koa nesoriny ny akanjony ivelany, dia nitsangana haingana izy ka nankeo amin’i Jesosy. 51 Ary hoy i Jesosy taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?” Dia hoy ilay jamba: “Rabôny* ô, mba ataovy mahita indray aho.” 52 Ary hoy i Jesosy: “Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao.”+ Tonga dia nahita ilay lehilahy,+ ka nanomboka nanaraka azy teny an-dalana.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara