FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 22:41-46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 41 Raha mbola teo ny Fariseo, dia nanontanian’i Jesosy hoe:+ 42 “Ahoana ny hevitrareo momba an’i Kristy? Zanak’iza moa izy?” Dia hoy ireo taminy: “Zanak’i Davida.”+ 43 Ary nanontany azy ireo izy hoe: “Koa maninona i Davida no niantso azy hoe Tompo, rehefa notarihin’ny fanahy masina,+ ka niteny hoe: 44 ‘Hoy i Jehovah* tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao”’?+ 45 Koa raha niantso azy hoe Tompo i Davida, dia ahoana no maha zanany azy?”+ 46 Ary tsy nisy nahavaly azy, sady tsy nisy sahy nanontany azy intsony nanomboka tamin’iny andro iny.

  • Marka 12:35-37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Raha mbola nampianatra tao amin’ny tempoly anefa i Jesosy, dia niteny hoe: “Maninona no lazain’ny mpanora-dalàna fa zanak’i Davida i Kristy?+ 36 I Davida aza nasain’ny fanahy masina+ niteny hoe: ‘Hoy i Jehovah* tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.”’+ 37 Koa i Davida aza niantso azy hoe Tompo, dia ahoana no maha zanany azy?”+

      Ary nahafaly ny vahoaka ny nihaino azy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara