10 Nisy renirano afo nikoriana sy nivoaka avy teo anatrehany.+ Arivoarivo* no nanompo azy, ary iray alina ampitomboina iray alina* no nijoro teo anatrehany.+ Dia natomboka ny Fitsarana,+ ka nisy boky nosokafana.
11 Ary nijery aho dia nahita anjely be dia be nanodidina an’ilay seza fiandrianana sy ny zavamananaina ary ny anti-panahy, sady naheno ny feon’izy ireo. Alinalina* sy arivoarivo ny isan’izy ireo.+