-
Levitikosy 23:5-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Paska+ ho an’i Jehovah ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany,+ amin’ny takariva.*
6 “‘Ny andro faha-15 amin’io volana io dia Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay.+ Fety ho an’i Jehovah izany, ary mandritra ny fito andro ianareo no hihinana mofo tsy misy lalivay.+ 7 Hanao fivoriambe masina ianareo amin’ny andro voalohany.+ Tsy tokony hanao asa mafy ianareo, na inona izany na inona. 8 Hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah anefa ianareo mandritra ny fito andro. Ary hisy fivoriambe masina amin’ny andro fahafito. Tsy tokony hanao asa mafy ianareo, na inona izany na inona.’”
-
-
Lioka 22:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Tonga ny andro voalohany hankalazana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, dia ilay andro tsy maintsy hamonoana ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska.+
-