-
1 Mpanjaka 19:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Tonga fanindroany indray ilay anjelin’i Jehovah taorian’izay, ka nikasika azy sady niteny hoe: “Miarena dia mihinàna, raha tsy izany tsy ho vitanao ny dia lavitra mbola halehanao.”
-
-
Daniela 10:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nikasika ahy indray ilay hoatran’ny lehilahy, ka nankahery ahy.+ 19 Dia hoy izy: “Aza matahotra,+ ry ilay tena sarobidy* ô!+ Ho aminao anie ny fiadanana!+ Mahereza ianao! Mahereza!” Nahazo hery aho rehefa niresaka tamiko izy, dia hoy aho: “Ento àry ny teninao, tompoko, fa efa nankahery ahy ianao.”
-