FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 27:22-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary hoy i Pilato: “Hataoko ahoana àry izany i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?” Dia hoy izy rehetra: “Fantsiho eo amin’ny tsato-kazo izy!”+ 23 Ary hoy izy: “Fa maninona? Fa inona no ratsy nataony?” Vao mainka anefa izy ireo niantsoantso hoe: “Fantsiho eo amin’ny tsato-kazo izy!”+

      24 Ary hitan’i Pilato fa tsy nisy vokany ny nataony fa vao mainka nisahotaka ny olona. Dia naka rano izy, ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady niteny hoe: “Tsy tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’io lehilahy io àry aho! Anareo izany!” 25 Dia niteny daholo ny olona hoe: “Aleo izahay sy ny zanakay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany e!”+ 26 Nafahan’i Pilato àry i Barabasy, satria te hampifaly ny vahoaka izy. I Jesosy kosa nasainy nokaravasina,+ dia natolony hovonoina teo amin’ny tsato-kazo.+

  • Marka 15:12-15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hoy indray i Pilato: “Hataoko ahoana àry ilay antsoinareo hoe Mpanjakan’ny Jiosy?”+ 13 Dia niantsoantso mafy indray ireo hoe: “Fantsiho* eo amin’ny tsato-kazo izy!”+ 14 Hoy ihany anefa i Pilato tamin’ireo: “Fa maninona? Fa inona no ratsy nataony?” Vao mainka anefa izy ireo niantsoantso hoe: “Fantsiho* eo amin’ny tsato-kazo izy!”+ 15 Dia nafahan’i Pilato i Barabasy, satria te hampifaly ny vahoaka izy. Rehefa avy nasainy nokaravasina i Jesosy,+ dia natolony hovonoina teo amin’ny tsato-kazo.+

  • Jaona 19:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Izany no nahatonga an’i Pilato hitady fomba hanafahana azy foana. Niantsoantso anefa ny Jiosy hoe: “Tsy naman’i Kaisara ianao raha afahanao io, satria manohitra an’i Kaisara izay milaza ny tenany hoe mpanjaka.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara