-
Eksodosy 16:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Tadidio fa nanome anareo ny Sabata i Jehovah!+ Izany no antony anomezany anareo mofo ampy roa andro, amin’ny andro fahenina. Tokony hijanona any amin’izay misy azy avy ny rehetra. Tsy tokony hisy hiala ao amin’ny toerana misy azy, amin’ny andro fahafito.”
-
-
Eksodosy 20:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Enina andro+ ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao amin’ny tanàna kelinao.*+
-
-
Eksodosy 31:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Enina andro no azo iasana, fa sabata fitsaharana tanteraka kosa ny andro fahafito.+ Masina amin’i Jehovah ny Sabata, ka tsy maintsy hovonoina ho faty izay miasa amin’io andro io.
-
-
Deoteronomia 5:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “‘Tandremo ny andro sabata mba ho masina foana io andro io, araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
-