-
Eksodosy 20:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Enina andro+ ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao amin’ny tanàna kelinao.*+
-
-
Matio 12:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Hoy ny Fariseo rehefa nahita an’izany: “Jereo fa manao zavatra tsy azo atao amin’ny Sabata+ ny mpianatrao!”
-
-
Lioka 6:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia hoy ny Fariseo sasany: “Fa maninona ianareo no manao zavatra tsy azo atao amin’ny Sabata?”+
-