-
Matio 21:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ny ankamaroan’ny vahoaka kosa namelatra ny akanjony ivelany teo amin’ny lalana.+ Nisy indray nanapaka sampan-kazo dia namelatra an’izany teo amin’ny lalana. 9 Nisy vahoaka koa nandeha nialoha an’i Jesosy sy nanaraka tao aorianany, sady niantsoantso tsy an-kijanona hoe: “Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!+ Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!*+ Mba vonjeo re izy, ry any amin’ny avo indrindra ô!”+
-
-
Marka 11:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Be dia be koa ny olona namelatra ny akanjony ivelany teo amin’ny lalana, fa ny an’ny sasany indray rantsankazo nisy raviny avy notapahiny tany an-tsaha.+ 9 Ary izay nandeha teo alohany sy tao aorianany dia niantsoantso tsy an-kijanona hoe: “Mba vonjeo re izy e!+ Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!*+
-
-
Jaona 1:49Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
49 Ary hoy i Natanaela: “Raby ô, Zanak’Andriamanitra ianao! Mpanjakan’ny Israely ianao.”+
-