FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lioka 24:49
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 Ary halefako aminareo ilay nampanantenain’ny Raiko. Mijanòna anefa eto an-tanàna mandra-pahatongan’ny fotoana hahazoanareo* hery avy any amin’ny avo.”+

  • Jaona 15:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ho tonga ilay mpanampy hirahiko ho any aminareo avy any amin’ny Ray, dia ny fanahin’ny fahamarinana.+ Rehefa tonga io mpanampy avy any amin’ny Ray io, dia hanome porofo momba ahy.+

  • Jaona 16:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Rehefa tonga anefa izy, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana,+ dia hitari-dalana anareo mba ho azonareo tsara ny fahamarinana rehetra. Tsy ny heviny fotsiny mantsy no hoteneniny, fa izay henony no holazainy, dia hohazavainy aminareo ny zavatra mbola ho avy.+

  • 1 Jaona 2:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Fa ianareo kosa efa nohosorany ny fanahiny+ ary ao aminareo foana izany, ka tsy mila ampianarin’olona ianareo. Ary izany fanahiny izany no nampiasain’Andriamanitra hampianatra anareo ny zava-drehetra,+ ary marina sy tsy misy lainga izany. Araka ny nampianarin’io fanahy io anareo àry, dia miezaha ho tafaray aminy foana.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara