-
Matio 26:74Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
74 Dia nanomboka niozona* sy nianiana izy hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy ho’aho izany lehilahy izany!” Teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno.
-
-
Lioka 22:60Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
60 Hoy anefa i Petera: “Tena tsy fantatro izany lazainao izany.” Ary tonga dia nisy akoho naneno, raha iny izy mbola niteny iny.
-
-
Jaona 13:38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Dia hoy i Jesosy: “Tena hahafoy ny ainao ho ahy tokoa ve ianao? Lazaiko marimarina aminao fa mbola tsy maneno akory ny akoho, dia efa handa ahy intelo ianao.”+
-