-
Jaona 19:40-42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
40 Nalain’izy roa lahy àry ny fatin’i Jesosy, dia nofonosiny lamba rongony niaraka tamin’ny zava-manitra,+ araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa mandevina. 41 Nisy zaridaina teo amin’ilay toerana namonoana azy,* ary nisy fasana vaovao+ mbola tsy nandevenana mihitsy tao amin’ilay zaridaina. 42 Andro Fiomanan’ny Jiosy+ tamin’izay, sady teo akaiky teo ilay fasana, ka naleviny tao i Jesosy.
-