-
Asan’ny Apostoly 8:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 I Saoly kosa nandravarava ny fiangonana. Nasesiny ny tranon’ireo mpino ka nidirany an-keriny, dia notaritaritiny hivoaka izy ireo na lahy na vavy, ary nataony am-ponja.+
-
-
Asan’ny Apostoly 9:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Mbola nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo ihany anefa i Saoly.+ Nankany amin’ny mpisoronabe àry izy, 2 dia nangataka taratasy mba haseho amin’ireo synagoga any Damaskosy. Amin’izay dia ho azony entina mifatotra hankany Jerosalema izay hitany manaraka Ny Lalana,*+ na lahy izany na vavy.
-
-
Asan’ny Apostoly 26:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nisy fotoana aho tena resy lahatra hoe tokony hanao an’izay rehetra azoko atao mba hanoherana ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta. 10 Dia izany mihitsy no nataoko tany Jerosalema. Be dia be ny olona masina nogadraiko,+ satria nahazo fahefana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona+ aho. Ary rehefa hovonoina ho faty izy ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky an’izany aho. 11 Nanasazy matetika azy ireny aho tany amin’ny synagoga rehetra, mba hanerena azy handa ny finoany. Romotra tamin’izy ireny aho, ka vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna hafa mihitsy aza.
-