FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 9:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mbola nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo ihany anefa i Saoly.+ Nankany amin’ny mpisoronabe àry izy, 2 dia nangataka taratasy mba haseho amin’ireo synagoga any Damaskosy. Amin’izay dia ho azony entina mifatotra hankany Jerosalema izay hitany manaraka Ny Lalana,*+ na lahy izany na vavy.

  • Asan’ny Apostoly 22:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia nenjehiko izay anisan’izany Lalana* izany, ary maty mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireny. Nofatorako sy natolotro mba hatao am-ponja izy ireny, na lahy na vavy.+

  • Asan’ny Apostoly 26:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia izany mihitsy no nataoko tany Jerosalema. Be dia be ny olona masina nogadraiko,+ satria nahazo fahefana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona+ aho. Ary rehefa hovonoina ho faty izy ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky an’izany aho.

  • Galatianina 1:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Mazava ho azy fa efa henonareo ny nataoko tamin’izaho mbola nanaraka ny Fivavahan’ny Jiosy.*+ Fa tena nanenjika mafy* ny fiangonan’Andriamanitra aho sady nandravarava azy.+

  • Filipianina 3:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Noforana tamin’ny andro fahavalo+ mantsy aho, avy tamin’ny firenen’Israely, avy tamin’ny fokon’i Benjamina, Hebreo nateraky ny Hebreo,+ ary Fariseo+ raha ny lalàna no resahina. 6 Raha ny hafanam-po no resahina, dia nanenjika ny fiangonana+ aho, ary raha ny amin’ny fankatoavana an’izay lazain’ny lalàna hoe marina, dia hita hoe tsy nisy tsiny aho.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara