-
Asan’ny Apostoly 8:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 I Saoly kosa nandravarava ny fiangonana. Nasesiny ny tranon’ireo mpino ka nidirany an-keriny, dia notaritaritiny hivoaka izy ireo na lahy na vavy, ary nataony am-ponja.+
-
-
Asan’ny Apostoly 9:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Mbola nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo ihany anefa i Saoly.+ Nankany amin’ny mpisoronabe àry izy, 2 dia nangataka taratasy mba haseho amin’ireo synagoga any Damaskosy. Amin’izay dia ho azony entina mifatotra hankany Jerosalema izay hitany manaraka Ny Lalana,*+ na lahy izany na vavy.
-