23 Dia nitsangana ny vahoaka rehetra, ka nitondra an’i Jesosy tany amin’i Pilato.+ 2 Ary nanomboka niampanga azy+ izy ireo hoe: “Ity lehilahy ity hitanay nampirisika ny firenenay hikomy, sady nandrara ny olona tsy handoa hetra amin’i Kaisara,+ ary nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.”+