-
Apokalypsy 6:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary niteny tsy an-kijanona tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy izy ireo hoe: “Mianjerà aminay,+ dia afeno izahay mba tsy ho hitan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana,+ ary mba tsy hiharan’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry.+ 17 Fa tonga ilay andro lehibe ampisehoan’izy ireo ny hatezerany,+ ka iza no mahavita miatrika an’izany?”+
-
-
Apokalypsy 11:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Tezitra anefa ireo firenena. Nampiseho ny hatezeranao koa ianao, ary tonga ny fotoana voatondro hitsarana ny maty sy hanomezana valisoa+ ny mpaminany mpanomponao+ sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na ny kely na ny lehibe. Tonga koa ny fotoana handringanana an’izay manimba ny tany.”+
-