-
Asan’ny Apostoly 18:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nahita Jiosy atao hoe Akoila+ izy tao. Teraka tany Ponto i Akoila, ary vao tonga avy any Italia izy sy Prisila vadiny. Namoaka didy mantsy i Klaodio hoe tsy maintsy miala any Roma ny Jiosy rehetra. Nankany amin’izy mivady àry i Paoly.
-
-
Asan’ny Apostoly 18:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Nisy Jiosy atao hoe Apolosy+ tonga tao Efesosy. Teraka tany Aleksandria izy, ary lehilahy nahay nandaha-teny sady tena nahay Soratra Masina.
-
-
Asan’ny Apostoly 18:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Nanomboka sahy nitory tao amin’ny synagoga izy, ka rehefa naheno azy i Prisila sy Akoila,+ dia nitondra azy niaraka taminy. Ary nohazavain’izy mivady marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.
-