-
Kolosianina 1:25-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Lasa mpanompon’izany fiangonana izany aho, mifanaraka amin’ilay andraikitra+ nankinin’Andriamanitra tamiko mba hahasoa anareo, dia ny hamita ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, 26 anisan’izany ilay zava-miafina masina+ nafenina efa hatramin’ny fotoana nisian’izao tontolo izao*+ sy hatramin’ireo taranaka tany aloha. Efa naharihary tamin’ny olony masina kosa anefa ilay izy izao.+ 27 Ary tian’Andriamanitra hampahafantarina azy ireo ilay zava-miafina masina,+ izay harena be voninahitra, sady tiany hampahafantarina eo amin’ireo firenena koa. Ilay zava-miafina dia hoe tafaray aminareo i Kristy, izany hoe manantena ianareo fa homem-boninahitra miaraka aminy.+
-