-
Eksodosy 7:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nantsoin’i Farao anefa ny olon-kendry sy ny mpilalao ody.+ Dia nanao hoatran’izay nataon’i Arona koa ny mpisorona mpanao sikidy tao Ejipta, izay nampiasa herin’ny maizina.*+ 12 Samy nanipy ny tehiny izy ireo, ary lasa bibilava ngezabe daholo ireny. Natelin’ny tehin’i Arona anefa ny tehin’izy ireo.
-
-
Eksodosy 9:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Koa tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy ny mpisorona mpanao sikidy satria feno vay. Lasa nisy vay nipoipoitra mantsy tamin’ireo mpisorona ireo sy tamin’ny Ejipsianina rehetra.+
-