FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 22:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary nisy olona nirahiny ho any amin’i Balama zanak’i Beora, izay nipetraka tany amin’ny tanindrazany tany Petora,+ teo amoron’ilay Renirano.* Nampiantso azy i Balaka sady niteny hoe: “Misy vahoaka iray izay, nivoaka avy tany Ejipta ka mandrakotra ny tany,*+ ary mipetraka tandrifiko mihitsy izao ry zareo. 6 Koa mba tongava re atỳ e! Dia ozòny io vahoaka io,+ fa mahery noho izaho izy. Amin’izay aho mety handresy azy dia handroaka azy hiala eto amin’ny taniko. Fantatro tsara mantsy hoe izay tsofinao rano dia tena mahazo fitahiana, fa izay ozoninao kosa dia tena voaozona.”

  • Joda 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Voa mafy izy ireny fa nanao hoatran’i Kaina,+ sady maimay hanao zavatra tsy mety toy ny nataon’i Balama+ mba hahazoana valisoa. Nanakiana an’izay manana fahefana ireny,+ toy ny nataon’i Kora,+ ka ho ringana koa.

  • Apokalypsy 2:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Ireto anefa misy zavatra vitsivitsy anomezako tsiny anao: Misy olona mifikitra amin’ny fampianaran’i Balama+ ao aminao. Nampianatra an’i Balaka+ hitaona ny zanak’Israely hanota* i Balama, izany hoe hihinana zavatra natao sorona ho an’ny sampy sy hijangajanga.*+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara