FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 19:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Lazaiko marina aminareo fa amin’ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana 12 koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko 12 eo amin’ny Israely.+

  • Apokalypsy 20:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nahita seza fiandrianana maro aho, ary nomena fahefana hitsara ireo nipetraka teo amboniny. Hitako izay novonoina* satria nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra. Tsy nivavaka tamin’ilay bibidia na tamin’ny sariny izy ireo, sady tsy nandray an’ilay marika teo amin’ny handriny sy teo amin’ny tanany.+ Ary velona izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy+ 1 000 taona.

  • Apokalypsy 20:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany.+ Tsy hanam-pahefana+ amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa.+ Ho mpisoron’Andriamanitra+ sy Kristy kosa izy ireo, ka hiara-manjaka aminy 1 000 taona.+

  • Apokalypsy 22:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tsy hisy alina intsony+ koa, ka tsy hila ny hazavan’ny jiro na ny hazavan’ny masoandro izy ireo, satria hanazava azy i Jehovah* Andriamanitra.+ Ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara