13 Nitsoka ny trompetrany+ ny anjely fahenina.+ Dia naheno feo avy teo amin’ny tandrok’ilay alitara volamena+ teo anatrehan’Andriamanitra aho. 14 Hoy ilay feo tamin’ilay anjely fahenina nanana trompetra: “Mba vahao ny anjely efatra mifatotra eo amin’i Eofrata, ilay renirano lehibe.”+