FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 25
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

Asan’ny Apostoly: Topy Maso

      • Fitsarana an’i Paoly teo anatrehan’i Festosy (1-12)

        • “Ampakariko any amin’i Kaisara ity raharaha ity!” (11)

      • Niresaka tamin’i Agripa Mpanjaka momba an’i Paoly i Festosy (13-22)

      • Paoly teo anatrehan’i Agripa (23-27)

Asan’ny Apostoly 25:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 24:27

Asan’ny Apostoly 25:2

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 24:1

Asan’ny Apostoly 25:3

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 23:20, 21

Asan’ny Apostoly 25:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:16

Asan’ny Apostoly 25:7

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 5:11; Lk 23:1, 2; As 24:5

Asan’ny Apostoly 25:8

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 24:11, 12

Asan’ny Apostoly 25:9

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 24:27

Asan’ny Apostoly 25:11

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 23:26, 29
  • +As 28:17-19

Asan’ny Apostoly 25:15

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:2, 3

Asan’ny Apostoly 25:16

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:5

Asan’ny Apostoly 25:18

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:7

Asan’ny Apostoly 25:19

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “momba ny fivavahan-dry zareo.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 18:14, 15; 23:26, 29
  • +As 22:6-8

Asan’ny Apostoly 25:20

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:9

Asan’ny Apostoly 25:21

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Anaram-boninahitra niantsoana ny emperora romanina.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:11, 12

Asan’ny Apostoly 25:22

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 9:15

Asan’ny Apostoly 25:24

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 22:22

Asan’ny Apostoly 25:25

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 23:26, 29

Ankapobeny

Asa. 25:1As 24:27
Asa. 25:2As 24:1
Asa. 25:3As 23:20, 21
Asa. 25:5As 25:16
Asa. 25:7Mt 5:11; Lk 23:1, 2; As 24:5
Asa. 25:8As 24:11, 12
Asa. 25:9As 24:27
Asa. 25:11As 23:26, 29
Asa. 25:11As 28:17-19
Asa. 25:15As 25:2, 3
Asa. 25:16As 25:5
Asa. 25:18As 25:7
Asa. 25:19As 18:14, 15; 23:26, 29
Asa. 25:19As 22:6-8
Asa. 25:20As 25:9
Asa. 25:21As 25:11, 12
Asa. 25:22As 9:15
Asa. 25:24As 22:22
Asa. 25:25As 23:26, 29
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
  • 22
  • 23
  • 24
  • 25
  • 26
  • 27
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Asan’ny Apostoly 25:1-27

Asan’ny Apostoly

25 Telo andro taorian’ny nahatongavan’i Festosy+ tao amin’ilay faritany sy nandraisany ny fahefana, dia niala tany Kaisaria izy ka niakatra tany Jerosalema. 2 Dia niampanga an’i Paoly ireo lehiben’ny mpisorona sy lohandohany teo amin’ny Jiosy.+ Niangavy an’i Festosy àry izy ireo 3 mba hanaiky ny fangatahany ka handefa an’i Paoly any Jerosalema. Efa nanao tetika anefa izy ireo hoe hiafina mba hanafika an’i Paoly, ka hamono azy eny an-dalana.+ 4 Namaly kosa i Festosy fa tokony hotanana am-ponja any Kaisaria ihany i Paoly, ary izy rahateo efa hiverina any tsy ho ela. 5 Hoy koa izy: “Afaka miara-midina amiko àry ireo lehibenareo dia hiampanga an’izany lehilahy izany, raha tena nanao zavatra tsy nety tokoa izy.”+

6 Koa tsy nijanona tany amin’izy ireo afa-tsy valo na folo andro izy, ary nidina tany Kaisaria avy eo. Nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana izy ny ampitson’iny, dia nasainy nentina teo i Paoly. 7 Rehefa niditra i Paoly, dia nitsangana nanodidina azy ny Jiosy nidina avy tany Jerosalema. Betsaka ny zavatra niampangany azy sady tsy hoe maivamaivana, nefa tsy vitan’izy ireo akory ny nanaporofo azy ireny.+

8 Hoy anefa i Paoly rehefa niaro ny tenany: “Tsy nandika ny Lalàn’ny Jiosy aho, na nanota tamin’ny tempoly na tamin’i Kaisara.”+ 9 I Festosy kosa nila sitraka tamin’ny Jiosy+ ka namaly an’i Paoly hoe: “Tianao ve ny hiakatra ho any Jerosalema dia hotsaraina eo anatrehako momba an’izany zavatra izany?” 10 Hoy anefa i Paoly: “Mijoro eto anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kaisara aho, ary eto no tokony hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy tamin’ny Jiosy aho, ary fantatrao tsara koa izany. 11 Raha tena olon-dratsy tokoa aho ka nahavita zavatra tokony hamonoana ahy ho faty,+ dia tsy mandà ny ho faty aho. Fa raha tsy misy mitombina kosa ny zavatra iampangan’ireto lehilahy ireto ahy, dia tsy misy manan-jo hanolotra ahy amin’izy ireo mba hampifaliana azy ireo fotsiny. Ampakariko any amin’i Kaisara ity raharaha ity!”+ 12 Rehefa avy niara-nidinika tamin’ireo mpanolo-tsaina i Festosy, dia niteny hoe: “Nampakarinao any amin’i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin’i Kaisara ianao.”

13 Tonga tany Kaisaria i Agripa Mpanjaka sy Berenika, andro vitsivitsy taorian’izay, mba hitsidika an’i Festosy ara-pomba fifanajana. 14 Nijanona andro maromaro tao izy ireo, ka noresahin’i Festosy tamin’ny mpanjaka ny raharaha momba an’i Paoly. Hoy izy:

“Misy an’izay gadra izay navelan’i Feliksa ato. 15 Ary noresahin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny Jiosy tamiko ny momba azy,+ tamin’izaho tany Jerosalema, ka nangataka ny hanamelohana azy ry zareo. 16 Novaliako anefa ry zareo fa tsy fanaon’ny Romanina ny manolotra olona amin’ny mpiampanga azy mba hampifaliana azy ireo fotsiny. Mila ampifanatrehina amin’ny mpiampanga azy aloha ilay olona, mba ho afaka hiaro tena.+ 17 Koa tsy nangataka andro aho rehefa tonga teto ry zareo, fa ny ampitson’iny ihany dia nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana aho ary nasaiko nentina teo ilay lehilahy. 18 Nitsangana ny mpiampanga azy dia niteny, nefa tsy ny zava-dratsy noeritreretiko no niampangany azy.+ 19 Hay nisy adihevitra fotsiny teo amin-dry zareo momba ny fivavahany amin’andriamanitra*+ sy momba an’izany lehilahy atao hoe Jesosy izany, izay efa maty nefa izingizinin’i Paoly hoe velona.+ 20 Tsy hitako izay natao mba handaminana an’ilay adihevitra, ka nanontaniako izy raha te ho any Jerosalema dia any izy no hotsaraina momba an’izany zavatra izany.+ 21 Nangataka ny hotanana am-ponja anefa i Paoly mba ho Ilay Heni-kaja* no hanapa-kevitra ny momba azy.+ Koa nanome baiko ny hitazonana azy ao am-ponja aho mandra-pandefako azy any amin’i Kaisara.”

22 Dia hoy i Agripa tamin’i Festosy: “Mba te hihaino an’izany lehilahy izany koa aho.”+ Hoy i Festosy: “Haheno azy ianao rahampitso.” 23 Ny ampitson’iny àry, dia tonga tamin’ny fomba nanetriketrika be i Agripa sy Berenika. Ary niditra tao amin’ny efitra fitsarana izy ireo, niaraka tamin’ny mpitari-tafika sy ny olona ambony tao an-tanàna. Dia nanome baiko i Festosy ka nampidirina i Paoly. 24 Ary hoy i Festosy: “Ry Agripa Mpanjaka sy ianareo rehetra izay manatrika eto miaraka aminay, io hitanareo io ilay lehilahy nangatahin’ny vahoaka jiosy tamiko, na tany Jerosalema na teto. Niantsoantso ry zareo hoe tsy mendrika ny ho velona intsony, hono, izy.+ 25 Hitako anefa hoe tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty izy.+ Koa rehefa nampakatra ny raharaha any amin’Ilay Heni-kaja izy, dia tapa-kevitra aho fa handefa azy ho any. 26 Tsy fantatro anefa hoe inona marina no hosoratako momba azy any amin’ny Tompoko. Koa nentiko eto anatrehanareo rehetra izy, ary indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa Mpanjaka ô, mba hisy zavatra hosoratako rehefa vita ny famotorana. 27 Tsy mety mantsy, araka ny hevitro, ny mandefa voafonja any Roma nefa tsy milaza ny antony iampangana azy.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara