Salamo
Ho an’ny mpitarika; atao Seminita.* Hiran’i Davida.
12 Vonjeo aho, Jehovah ô, fa tsy misy intsony ny olona tsy mivadika;
Tsy ahitana olona mendri-pitokisana intsony eo amin’ny olombelona.
3 Hataon’i Jehovah mangina ny molotra rehetra tia mandokadoka
Sy ny lela mieboebo be,+
4 Dia ireo milaza hoe: “Ny lelanay no handresenay.
Azonay ampiasaina araka izay tianay ny molotray;
Iza no ho afaka hifehy anay?”+
5 “Satria ampahorina ny olona mijaly
Ary misento ny mahantra,+
Dia hitsangana aho ka hanao zavatra”, hoy i Jehovah.
“Hovonjeko izy ireo mba tsy ho azon’izay manao tsinontsinona* azy.”
6 Madio ny tenin’i Jehovah;+
Toy ny volafotsy voadio tao amin’ny fatana tanimanga* izany, eny, voadio impito.
7 Hiambina azy ireo ianao, Jehovah ô!+
Hiaro azy tsirairay mandrakizay tsy ho azon’ity taranaka ity ianao.
8 Mivezivezy malalaka etsy sy eroa ny ratsy fanahy,
Satria mampirisika ny olona ho ratsy fitondran-tena ny zanak’olombelona.+