FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 26
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

Asan’ny Apostoly: Topy Maso

      • Fiarovan-tenan’i Paoly teo anatrehan’i Agripa (1-11)

      • Nohazavain’i Paoly ny nampiova finoana azy (12-23)

      • Valin-tenin’i Festosy sy Agripa (24-32)

Asan’ny Apostoly 26:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:13

Asan’ny Apostoly 26:2

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 24:5, 9

Asan’ny Apostoly 26:4

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fireneko.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ga 1:13, 14

Asan’ny Apostoly 26:5

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.T.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 23:6; Fi 3:4, 5
  • +As 22:3

Asan’ny Apostoly 26:6

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 24:15

Asan’ny Apostoly 26:7

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 24:20, 21

Asan’ny Apostoly 26:8

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “mitsara.”

Asan’ny Apostoly 26:10

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 16:2; As 8:3; 1Ko 15:9; Ga 1:13; 1Ti 1:13
  • +As 9:1, 2, 14

Asan’ny Apostoly 26:13

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 9:3-5; 22:6-8

Asan’ny Apostoly 26:14

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Hazo marani-doha fanindronana biby mba handroahana azy.

Asan’ny Apostoly 26:16

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 22:14, 15; Ga 1:11, 12; 1Ti 1:12

Asan’ny Apostoly 26:17

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 22:21; Ro 11:13

Asan’ny Apostoly 26:18

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 61:1
  • +Kl 1:13
  • +Jn 8:12; 2Ko 4:6
  • +Ef 2:1, 2
  • +1Jn 3:5

Asan’ny Apostoly 26:20

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 9:22
  • +As 9:28
  • +Mt 3:8

Asan’ny Apostoly 26:21

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 21:30, 31

Asan’ny Apostoly 26:22

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 24:27, 44; Ro 3:21

Asan’ny Apostoly 26:23

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 22:7; 35:19; Is 50:6; 53:5
  • +Sl 16:10
  • +Sl 18:49; Is 11:10; Lk 2:30-32

Asan’ny Apostoly 26:26

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 18:20

Asan’ny Apostoly 26:31

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 23:26, 29; 25:24, 25

Asan’ny Apostoly 26:32

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 25:11, 12

Ankapobeny

Asa. 26:1As 25:13
Asa. 26:2As 24:5, 9
Asa. 26:4Ga 1:13, 14
Asa. 26:5As 23:6; Fi 3:4, 5
Asa. 26:5As 22:3
Asa. 26:6As 24:15
Asa. 26:7As 24:20, 21
Asa. 26:10Jn 16:2; As 8:3; 1Ko 15:9; Ga 1:13; 1Ti 1:13
Asa. 26:10As 9:1, 2, 14
Asa. 26:13As 9:3-5; 22:6-8
Asa. 26:16As 22:14, 15; Ga 1:11, 12; 1Ti 1:12
Asa. 26:17As 22:21; Ro 11:13
Asa. 26:18Is 61:1
Asa. 26:18Kl 1:13
Asa. 26:18Jn 8:12; 2Ko 4:6
Asa. 26:18Ef 2:1, 2
Asa. 26:181Jn 3:5
Asa. 26:20As 9:22
Asa. 26:20As 9:28
Asa. 26:20Mt 3:8
Asa. 26:21As 21:30, 31
Asa. 26:22Lk 24:27, 44; Ro 3:21
Asa. 26:23Sl 22:7; 35:19; Is 50:6; 53:5
Asa. 26:23Sl 16:10
Asa. 26:23Sl 18:49; Is 11:10; Lk 2:30-32
Asa. 26:26Jn 18:20
Asa. 26:31As 23:26, 29; 25:24, 25
Asa. 26:32As 25:11, 12
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
  • 22
  • 23
  • 24
  • 25
  • 26
  • 27
  • 28
  • 29
  • 30
  • 31
  • 32
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Asan’ny Apostoly 26:1-32

Asan’ny Apostoly

26 Hoy i Agripa+ tamin’i Paoly: “Mahazo miteny ianao hiarovana ny tenanao.” Dia nanatsotra ny tanany i Paoly, ka nilaza an’izao ho fiarovan-tena:

2 “Faly aho, ry Agripa Mpanjaka, fa eto anatrehanao no ilazako ny fiarovan-tenako anio, momba ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy.+ 3 Faly aho, satria ianao mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy. Koa miangavy anao aho mba haharitra hihaino ahy.

4 “Fantatry ny Jiosy rehetra ny fomba fiainako teo amin’ny mpiray firenena amiko* sy tany Jerosalema, hatramin’izaho mbola kely.+ 5 Fantatry ny Jiosy nahalala tsara ahy izany. Ary afaka manamarina an’izany ry zareo, raha tiany, fa efa Fariseo aho+ ka nanaraka an’ilay sekta* hentitra indrindra tao amin’ny fivavahanay.+ 6 Noho izaho manantena an’ilay fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny razambentsika+ anefa izao no itsarana ahy. 7 Izany fampanantenana izany koa no antenain’ny foko 12 eto amin’ny firenentsika. Manantena ny hahita ny fahatanterahan’izany izy ireo, ka miezaka mafy manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra andro aman’alina. Momba an’izany fanantenana izany no iampangan’ny Jiosy ahy,+ ry Mpanjaka ô!

8 “Maninona ianareo no mihevitra* fa tsy azo inoana hoe manangana ny maty Andriamanitra? 9 Nisy fotoana aho tena resy lahatra hoe tokony hanao an’izay rehetra azoko atao mba hanoherana ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta. 10 Dia izany mihitsy no nataoko tany Jerosalema. Be dia be ny olona masina nogadraiko,+ satria nahazo fahefana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona+ aho. Ary rehefa hovonoina ho faty izy ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky an’izany aho. 11 Nanasazy matetika azy ireny aho tany amin’ny synagoga rehetra, mba hanerena azy handa ny finoany. Romotra tamin’izy ireny aho, ka vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna hafa mihitsy aza.

12 “Izany no nandehanako tany Damaskosy, fa nahazo fahefana sy fanomezan-dalana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona aho. 13 Raha mbola teny an-dalana aho, tamin’ny mitataovovonana, ry Mpanjaka ô, dia nahita hazavana avy any an-danitra izay nanjelanjelatra mihoatra noho ny masoandro. Nanodidina ahy sy ireo niara-dia tamiko ilay izy.+ 14 Dia nianjera tamin’ny tany daholo izahay rehetra, ary naheno feo aho nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo hoe: ‘Saoly, Saoly, fa maninona no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan’ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana* ianao e!’ 15 Fa hoy aho: ‘Iza moa ianao, tompoko?’ Dia hoy ny Tompo: ‘Izaho no Jesosy, ilay enjehinao. 16 Fa mitsangàna, dia mijoroa! Miseho aminao aho satria hifidy anao ho mpanompo, sy ho vavolombelona hanambara ny zavatra efa hitanao sy mbola hasehoko anao momba ahy.+ 17 Ary hamonjy anao amin’ity vahoaka ity sy amin’ny hafa firenena izay anirahako anao aho.+ 18 Hirahiko ianao mba hanokatra ny masony,+ ka hialany amin’ny haizina+ ho ao amin’ny mazava,+ ary hialany amin’ny fahefan’i Satana+ ho eo ambany fahefan’Andriamanitra. Amin’izay izy ireo hahazo famelan-keloka+ ary hahazo lova miaraka amin’ireo nohamasinina noho izy ireo mino ahy.’

19 “Koa nankatò an’izay nolazaina tamiko tao amin’ilay fahitana avy any an-danitra aho, ry Agripa Mpanjaka ô! 20 Nankany amin’ny olona nipetraka tany Damaskosy+ àry aho aloha, ary avy eo nankany amin’ny olona nipetraka tany Jerosalema+ sy eran’ny faritr’i Jodia ary tany amin’ny firenen-kafa. Ny hafatra nampitaiko tamin’izy ireo dia hoe tokony hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo, ka hampiseho amin’ny ataony fa nibebaka.+ 21 Izany no antony nisamboran’ny Jiosy ahy tao amin’ny tempoly, ka saika namonoany ahy.+ 22 Nampian’Andriamanitra anefa aho, ka mbola mitory foana mandraka androany, na amin’ny madinika na amin’ny lehibe. Ary tsy milaza afa-tsy izay nambaran’ny Mpaminany sy nambaran’i Mosesy fa hitranga aho,+ 23 dia ny hoe tsy maintsy nijaly+ i Kristy, ary ho voalohany amin’izay hatsangana amin’ny maty+ izy, ka hitory momba ny hazavana amin’ny vahoakan’Israely sy amin’ny hafa firenena.”+

24 Raha mbola nilaza an’izany i Paoly ho fiarovan-tenany, dia niteny mafy i Festosy hoe: “Lasa adala ianao, ry Paoly a! Ny fianarana be nataonao no mahalasa adala anao!” 25 Hoy anefa i Paoly: “Tsy lasa adala aho, ry Festosy Governora hajaina ô, fa marina ny teniko sady mitombina tsara. 26 Mahalala tsara an’izany ny mpanjaka ka sahy miresaka aminy momba an’izany aho. Azoko antoka mantsy hoe tsy misy tsy fantany izany rehetra izany, satria tsy nisy niafina ny nanaovana an’izany.+ 27 Mino ny Mpaminany ve ianao, ry Agripa Mpanjaka? Fantatro fa mino ianao.” 28 Fa hoy i Agripa tamin’i Paoly: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho lasa Kristianina ianao.” 29 Dia hoy i Paoly: “Mangataka amin’Andriamanitra aho mba tsy hoe ianao ihany no ho lasa hoatr’ahy, na ho ela na ho haingana, fa izay rehetra maheno ahy anio koa. Tsy iriko anefa hoe ho voafatotry ny rojo vy hoatr’ahy izao ianareo.”

30 Dia nitsangana ny mpanjaka, ary nitsangana koa ny governora sy Berenika ary ny olona niara-nipetraka tamin’izy ireo. 31 Sady niala teo izy ireo no nifampiresaka hoe: “Tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty na hanagadrana azy io lehilahy io.”+ 32 Dia hoy i Agripa tamin’i Festosy: “Raha tsy nampakatra an’ity raharaha ity any amin’i Kaisara izy,+ dia ho azo nafahana.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara