Salamo
Hira Fiakarana. Nataon’i Solomona.
127 Raha tsy i Jehovah no manao ny trano,
Dia ho very maina ny asa mafy ataon’ny mpanorina azy.+
Ary raha tsy i Jehovah no miambina ny tanàna,+
Dia ho very maina ny fiaretan-torin’ny mpiambina.
2 Very maina ny hifohazanareo vao maraina,
Sy ny hiaretanareo tory hatramin’ny alina be,
Ary ny hiasanareo mafy mba hahazoana sakafo,
Satria manome izay ilain’ny olona tiany izy sady manome azy ireo torimaso mamy.+
4 Toy ny zana-tsipìka eny an-tanan’ny lehilahy mahery
Ny zanaky ny fahatanorana.+
5 Sambatra izay lehilahy mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.+
Tsy ho menatra izy ireo,
Satria hiteny eo anatrehan’ny fahavalo eny am-bavahadin’ny tanàna ireny.