FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 12
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

Asan’ny Apostoly: Topy Maso

      • Novonoina i Jakoba; nogadraina i Petera (1-5)

      • Nafahana tamin’ny fomba mahagaga i Petera (6-19)

      • Nisy anjely namely an’i Heroda (20-25)

Asan’ny Apostoly 12:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 15:20

Asan’ny Apostoly 12:2

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 20:20-23; Lk 11:49
  • +Mt 4:21

Asan’ny Apostoly 12:3

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ek 12:15; 23:15; Le 23:6

Asan’ny Apostoly 12:4

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “hoentina hotsaraina eo anoloan’ny vahoaka.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 21:12

Asan’ny Apostoly 12:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 1:11

Asan’ny Apostoly 12:7

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 34:7; He 1:7, 14
  • +As 5:18, 19

Asan’ny Apostoly 12:8

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “Misikìna.”

Asan’ny Apostoly 12:11

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Pe 2:9

Asan’ny Apostoly 12:12

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 13:5; 15:37, 38; Kl 4:10

Asan’ny Apostoly 12:17

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 13:55; As 15:13; 21:18; 1Ko 15:7; Ga 1:19; 2:9

Asan’ny Apostoly 12:19

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 16:27

Asan’ny Apostoly 12:20

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “Nila ady.”

  • *

    Abt: “ny efitra fatorian’ny.”

Asan’ny Apostoly 12:23

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Asan’ny Apostoly 12:24

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 6:7; 19:20; Kl 1:6

Asan’ny Apostoly 12:25

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 4:36, 37
  • +As 11:29, 30
  • +As 13:5; 15:37, 38

Ankapobeny

Asa. 12:1Jn 15:20
Asa. 12:2Mt 20:20-23; Lk 11:49
Asa. 12:2Mt 4:21
Asa. 12:3Ek 12:15; 23:15; Le 23:6
Asa. 12:4Lk 21:12
Asa. 12:52Ko 1:11
Asa. 12:7Sl 34:7; He 1:7, 14
Asa. 12:7As 5:18, 19
Asa. 12:112Pe 2:9
Asa. 12:12As 13:5; 15:37, 38; Kl 4:10
Asa. 12:17Mt 13:55; As 15:13; 21:18; 1Ko 15:7; Ga 1:19; 2:9
Asa. 12:19As 16:27
Asa. 12:24As 6:7; 19:20; Kl 1:6
Asa. 12:25As 4:36, 37
Asa. 12:25As 11:29, 30
Asa. 12:25As 13:5; 15:37, 38
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
  • 22
  • 23
  • 24
  • 25
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Asan’ny Apostoly 12:1-25

Asan’ny Apostoly

12 Tamin’izany fotoana izany, dia nampijalin’i Heroda Mpanjaka ny sasany tamin’ireo anisan’ny fiangonana.+ 2 Novonoiny tamin’ny sabatra+ i Jakoba, rahalahin’i Jaona.+ 3 Rehefa hitany fa nahafaly ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera.—Andro fihinanana ny Mofo Tsy Misy Lalivay tamin’izay.+— 4 Nogadrainy i Petera rehefa avy nosamboriny.+ Ary antoko-miaramila efatra, izay nisy miaramila efatra avy, no nasainy nifandimby niambina azy. Tiany haseho amin’ny vahoaka* mantsy izy aorian’ny Paska. 5 Notanana am-ponja àry i Petera, fa ny fiangonana kosa nivavaka mafy tamin’Andriamanitra ho azy.+

6 Ny alina talohan’ny hampisehoan’i Heroda azy, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa i Petera, voafatotra rojo vy roa. Nisy mpiambina koa teo anoloan’ny varavarana, niambina ny fonja. 7 Dia iny fa nisy anjelin’i Jehovah* nijoro teo,+ ary nisy hazavana namirapiratra tao amin’ilay efitra figadrana. Ary nodoniny teo amin’ny tehezany i Petera ka nofohaziny, sady hoy izy: “Mitsangàna haingana!” Dia latsaka niala tamin’ny tanan’i Petera ny rojo vy.+ 8 Ary hoy ilay anjely taminy: “Miakanjoa* ary anaovy ny kapanao.” Koa nataony izany. Farany, dia hoy ilay anjely: “Anaovy ny akanjonao ivelany, dia araho aho.” 9 Dia nivoaka nanaraka an’ilay anjely i Petera. Tsy fantany anefa hoe tena nisy ny zavatra nataon’ilay anjely, fa noheveriny hoe nahita fahitana izy. 10 Nandalo an’ireo mpiambina voalohany sy faharoa izy ireo, ka tonga teo amin’ilay vavahady vy mankao an-tanàna. Dia nisokatra ho azy ilay vavahady mba hivoahan’izy ireo. Rehefa tafavoaka izy ireo, dia nandeha nidina tamin’ny lalana iray. Nandao azy avy hatrany ilay anjely avy eo. 11 Ary hoy i Petera, rehefa tonga saina tsara: “Izao aho vao tena mino hoe naniraka ny anjeliny i Jehovah,* mba hanafaka ahy tamin’i Heroda sy tamin’izay zava-dratsy noeritreretin’ny Jiosy hoe hanjo ahy.”+

12 Rehefa avy nieritreritra momba an’izany izy, dia nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jaona, ilay antsoina koa hoe Marka.+ Ary nisy olona be dia be nivory sy nivavaka tao. 13 Dia nandondòna teo am-bavahady izy, ka nankeny ny mpanompovavy atao hoe Roda mba hijery hoe iza izany. 14 Vao fantany ny feon’i Petera, dia faly loatra izy ka tsy novohany ny vavahady, fa lasa izy nihazakazaka niditra dia nilaza hoe mijoro ao am-bavahady i Petera. 15 Ary hoy ny olona taminy: “Ianao ve adala e?” Mbola nanizingizina ihany anefa izy fa tena ao tokoa i Petera. Dia hoy izy ireo: “Anjeliny izany.” 16 Fa mbola nandondòna tao foana i Petera, ka rehefa nanokatra an’ilay vavahady izy ireo, dia nahita azy ka gaga. 17 Nanao fihetsika tamin’ny tanany anefa izy mba hampanginana azy ireo, ary notantarainy tamin’ny an-tsipiriany ny namoahan’i Jehovah* azy avy tao am-ponja. Ary hoy izy: “Tantarao amin’i Jakoba+ sy ny rahalahy izany.” Dia nivoaka izy, ary lasa nankany an-toeran-kafa.

18 Rehefa maraina ny andro, dia nisahotaka be ihany ny miaramila sady nifanontany hoe nankaiza i Petera. 19 Nikaroka azy hatraiza hatraiza i Heroda, fa tsy nahita. Dia nofotopotorany ireo mpiambina, ary nasainy nentina hosazina.+ Ary niala tany Jodia i Heroda ka nidina tany Kaisaria, ary nijanona kelikely tany.

20 Tezitra* tamin’ny mponin’i Tyro sy Sidona i Heroda. Koa nifanaraka izy ireo hoe ho any aminy. Rehefa avy nandresy lahatra an’i Blasto, izay niandraikitra ny ankohonan’ny* mpanjaka, izy ireo, dia nitady fihavanana tamin’ny mpanjaka. Ny tanin’ny mpanjaka mantsy no namatsy sakafo ny firenen’izy ireo. 21 Tamin’ny andro voatondro àry, dia nanao akanjona mpanjaka i Heroda ka nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana ary nikabary tamin’ny vahoaka. 22 Dia nihorakoraka mafy ny vahoaka nivory teo hoe: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!” 23 Teo no ho eo ihany, dia namely an’i Heroda ny anjelin’i Jehovah,* satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy. Dia lanin’ny kankana izy, ka maty.

24 Fa mbola niely foana ny tenin’i Jehovah* ary nihabetsaka ny olona lasa mpino.+

25 Rehefa vitan’i Barnabasy+ sy Saoly ny fizarana fanampiana tany Jerosalema,+ dia niverina izy roa lahy ka nentiny niaraka taminy i Jaona,+ ilay antsoina koa hoe Marka.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara