FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tesalonianina 1
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

2 Tesalonianina: Topy Maso

      • Fiarahabana (1, 2)

      • Nihamatanjaka ny finoan’ny Tesalonianina (3-5)

      • Hamaly an’izay tsy mankatò i Jesosy (6-10)

      • Vavaka ho an’ny fiangonana (11, 12)

2 Tesalonianina 1:1

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Antsoina koa hoe Silasy.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 1:19

2 Tesalonianina 1:2

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.T.

2 Tesalonianina 1:3

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Te 3:12; 4:9, 10

2 Tesalonianina 1:4

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “miaritra.”

  • *

    Na: “fahoriana.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Te 2:19
  • +1Te 1:6; 2:14; 1Pe 2:21

2 Tesalonianina 1:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 14:22; Ro 8:17; 2Ti 2:12

2 Tesalonianina 1:6

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 12:19; Ap 6:9, 10

2 Tesalonianina 1:7

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 17:29, 30; 1Pe 1:7
  • +Mr 8:38

2 Tesalonianina 1:8

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 2:8

2 Tesalonianina 1:9

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Pe 3:7

2 Tesalonianina 1:11

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 8:30

Ankapobeny

2 Tes. 1:12Ko 1:19
2 Tes. 1:31Te 3:12; 4:9, 10
2 Tes. 1:41Te 2:19
2 Tes. 1:41Te 1:6; 2:14; 1Pe 2:21
2 Tes. 1:5As 14:22; Ro 8:17; 2Ti 2:12
2 Tes. 1:6Ro 12:19; Ap 6:9, 10
2 Tes. 1:7Lk 17:29, 30; 1Pe 1:7
2 Tes. 1:7Mr 8:38
2 Tes. 1:8Ro 2:8
2 Tes. 1:92Pe 3:7
2 Tes. 1:11Ro 8:30
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
2 Tesalonianina 1:1-12

Tesalonianina Faharoa

1 Avy amin’i Paoly sy Silvano* ary Timoty.+

Ho an’ny fiangonana any Tesalonika izay tafaray amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo,

2 Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka* aminareo sy hanome fiadanana anareo!

3 Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra foana izahay noho ny aminareo, ry rahalahy. Mety izany satria mihamatanjaka be ny finoanareo, ary vao mainka mifankatia be daholo ianareo.+ 4 Ianareo àry no reharehanay+ eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra, noho ianareo miaritra sy manam-pinoana na dia miatrika* fanenjehana sy zava-tsarotra* aza.+ 5 Izany no porofo fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, ka ho azony ekena hoe mendrika ny Fanjakan’Andriamanitra ianareo. Io Fanjakana io no antony iaretanareo fijaliana be.+

6 Fa tena rariny ny an’Andriamanitra raha hanasazy an’izay mampahory anareo izy.+ 7 Ianareo izay miaritra fahoriana kosa dia hafahana miaraka aminay, rehefa aharihary avy any an-danitra i Jesosy Tompo+ miaraka amin’ny anjeliny mahery,+ 8 ao amin’ny afo midedadeda. Hamaly an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra izy amin’izay, ary hamaly an’izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.+ 9 Hotsaraina izy ireny ka hosazina, izany hoe horinganina mandrakizay,+ dia tsy ho eo anatrehan’ny Tompo intsony sady tsy hahita ny heriny be voninahitra intsony. 10 Rehefa tonga izy amin’izany andro izany, dia homem-boninahitra miaraka amin’ny olony masina, ka ho gaga be daholo izay maneho finoana rehefa mahita azy. Ho anisan’izy ireny koa ianareo satria nino an’izay notorinay.

11 Izany mihitsy no mahatonga anay hivavaka ho anareo foana, mba ho hitan’ilay Andriamanitsika fa mendrika an’ilay fiantsoany+ anareo ianareo. Dia mivavaka koa izahay mba hampiasa ny heriny izy ka hotanterahiny daholo izay tiany, ary hataony mahomby izay ataonareo noho ny finoanareo. 12 Amin’izay dia homem-boninahitra amin’ny alalanareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika, ary ho tafaray aminy ianareo, noho ilay hatsaram-panahy miavaka nasehon’ilay Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara