FANONTANIANA 9
Nahoana ny olona no mijaly?
“Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny mahery no mandresy, ary tsy ny hendry no manan-kanina, ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena, ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”
‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’
“Izao no nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny Devoly.”
“Izao tontolo izao manontolo ... eo ambany fahefan’ilay ratsy.”