FANONTANIANA 10
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoavy?
“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”
“Ny tany ... maharitra mandrakizay.”
“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.”
“Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina. Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra, ary hihoby ny lelan’ny moana. Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra, ary hisy renirano any amin’ny lemaka karakaina.”
“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”
“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. Fa ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko, ary hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”