FANONTANIANA 11
Manao ahoana ny olona rehefa maty?
“Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.”
“Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona. ... Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.”
“Hoy indray [i Jesosy] avy eo: ‘Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.’ Ny fahafatesany anefa no nolazain’i Jesosy, fa ireo kosa nihevitra hoe ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso. Tamin’izay, dia notsorin’i Jesosy hoe: ‘Maty i Lazarosy.’ ”