FANONTANIANA 12
Mbola azo antenaina ho velona ve ny maty?
“Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”
“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”
“Hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy, ka samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny.”